Politique

Magro Behoririka Ny sambo ara-dalŕna ihany no izy


  • Alarobia 19 Janoary 2011


“Sambo ara-dalàna ihany, mahazo ny alalana avy amin’ny Filoha Ravalomanana Marc, no hidirantsika fa tsy ny sambo piraty rehetra izao”, hoy ny Depiote Leriva Manahirana avy any Brickaville tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly talata. Mbola nampian’Atoa Dauphin ihany koa izany amin’ny hoe : “Very lalana isika raha TGV no lasa sambo”. “Tsy hiditra ao anatin’io sambo io izahay satria ny Amiraly izay efa “capitaine de frégate” aty ivelany, tahaka izany koa ny mpandraharaha mahay sy ny profesora kalaza”, hoy i Manoela. Nofaranan-dRaveloson Constant tamin’ny hoe : “any anaty hira dia olona malahelo sy handao ny tanindrazana no mampiasa ny kisary sambo fa handao ‘ty tanà-mahazatra”. Rehefa sempotra Rajoelina dia miantso namana toy ny niseho talohan’ny Maputo sy Le Hintsy… Fa rehefa mahazo aina kely dia midongy familiana, hoy i Rakotondramanana Désiré (Hidio). «Tsy mila sori-dalana frantsay izahay malagasy”, hoy ny Dokotera Julien namarana azy,  “satria io no hahasahian-dRajoelina milaza fa izay tara sambo dia any”.

 
Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT