Efa-taona latsaka kely izao no nitoloman’ireo vahoaka mpanara-dia ny ankolafy Ravalomanana ny hiverenan’i Madagasikara ao anatin’ny ara-dalŕna.
Nanomboka tamin’ny martsa 2009 dia efa notetezin’ireo mpandala ny ara-dalàna ireo kianja sy toerana malalaka rehetra teto an-drenivohitra nanehoany izay fitakiana izay. Nanomboka teny Iavoloha, nihazo an’i Mahamasina, avy eo niakatra Ambohijatovo, Anosy, Ankorondrano ary dia izao tonga eny Behoririka izao. Na oran’andro, na danink’andro, na hatsiaka dia niharetan’izy ireo avokoa ary dia tsy niala vehana tao anatin’izay efa-taona latsaka kely izay. Isan’andro afa-tsy ny alahady, eny hatramin’ny alahady aza indraindray dia misy foana ny hetsika hitakiana ny fiverenan’i Madagasikara ho amin’ny ara-dalàna sy ny fiverenan’i Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana taorian’ny fanonganam-panjakana niseho teto tamin’ny martsa 2009.
Tato ho ato dia niova ny fandrindrana ny hetsika ka rehefa sabotsy dia misy vondrona na fikambanana misahana izany manokana. Samy manana ny mampiavaka azy ny fanomanan’ny fikambanana tsirairay. Ny sabotsy 20 oktobra lasa teo no anjaran’ny antoko Tiako i Madagasikara eto Antananarivo Renivohitra. Feno hipoka ny Kianjan’ny Magro Behoririka ary dia tsy omby ireo vahoaka. Azo ambara fa ni-debôrda ny kianja io sabotsy io. Azo adika fa velona tokoa ny Tiako i Madagasikara eto an-drenivohitra ary dia miandrandra fatratra izany fahatongavan-dRavalomanana izany ireo mpanara-dia azy. Tsy mitombina, raha ny fahitana ireo vahoaka tonga teny an-toerana, ny filazana fa kivy na diso fanantenana ny ao amin’ny Magro fa naneho ny heriny indray fa mbola any amin-dRavalomanana ny fon’Antananarivo.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.