Politique

Magro Behoririka Nanao valin-kafatra amin’i Andry Rajoelina


  • Alatsinainy 17 Janoary 2011

Manokatra adihevitra eo amin’ny tontolo politika ny filazan’i Andry Rajoelina, filohan’ny Fahefana Avon’ny tetezamita, nandritra ny lanonana fifampiarahabana teo amin’ny samy mpitondra sy ny mpanohana azy ireo teny Iavoloha ny tolakandron’ny zoma 14 janoary teo, ka nanambarany fa «tsy misy fifampiraharahana intsony fa fisokafana no hatao».

Tsy niandry ela ny valin-kafatra avy etsy amin’ny Magro Behoririka fa ny ampitson’io ihany dia nilaza ny teo fa raha lojika amin’ny teniny i Andry Rajoelina dia sokafany aloha ny fonja hivoahan’ireo gadra noho ny hevitra nijoroany na fanehoan-kevitra nataony, toa an-dry Ralitera sy ny namany, Zafilahy sy ny namany, sokafana ireo haino amanjery nakatona, sokafana ny fahafahana miteny, hoy i Andriamanana William, filoha lefitry ny antoko Teza. Koa raha misy ny fampiresahana dia mivadika ho fepetra mialoha ny zava-drehetra ireo, araka ny nambaran’ity mpanao politika ity hatrany. Ankoatra izay dia niray feo amin’ny fitakiana ny ahafahan’ireo filoha isany Didier Ratsiraka sy Marc Ravalomanana, hody an-tanindrazana tsy misy fepetra, koa ireo mpandaha-teny tao amin’ny Magro tamin’io andro io.

Vory maro rahateo ny olona, naneho sy te haneho amin’ireo mpanelanelana vahiny sy ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa misy Malagasy tsy mankasitraka ny fitantanana tarihin’ny Fahefana Avon’ny Tetezamita eto, ary maro an’isa izy ireo, ka mitaky ny fandraisana andraikitry ny fianakaviambe iraisam-pirenena fa tsy lasan-ko vavany fotsiny, manamafy izany ireo sorabaventy maro nirenty tao amin’ny Magro Behoririka nandritra ny hetsika tamin’io ny sabotsy 15 janoary io. Aoka, hoy izy ireo tsy hijanona an-taratasy fotsiny ireo fanapahan-kevitra mikasika an’i Madagasikara fa tokony harahina fampiharana satria dia potika ny firenena, mandry andriran’antsy ny vahoaka amin’ny asan-jiolahy, manjaka ny barofo, mahazo vahana ny kolikoly. Izay no nanamafisan’i Mektoub El Camille, izay tonga tao amin’ny Magro Behoririka io sabotsy rehefa elaela tsy tazana, fa  «tsy maintsy miady isika rehetra hamerenana ny «ordre constitutionnel» ary «ny zavatra efa nekena dia ekena”. 

Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso lĂ lam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT