Fahombiazana tanteraka ny hetsika nataon’ny TMR (Tiako Marc Ravalomanana) omaly tao amin’ny kianjan’i Magro Behoririka. Niavaka tokoa ny fanentanana nataon’ireo mpikambana ao amin’ny TMR satria samy nitondra ny anjara birikiny ireo mpikambana tsirairay avy. Tonga maro koa ireo mpitolona mahafatrapo ao amin’ny kianja. Nambaran’i Manoela, mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita sady mpitarika ity TMR ity fa ny fiverenan’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana eto an-tanindrazana no hampitsahatra ny krizy no sady hampisy fankatoavana iraisam-pirenena ary hitondra fitoniana ara-politika eto Madagasikara. Koa noho izany, hoy i Manoela nanamafy ny teniny «manentana anareo aho tongava maro fa tsy ho ela intsony dia hiverina eto an-tanindrazana soa aman-tsara i Dada».
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.