Azo ambara fa nahomby tamin’ny ankapobeny ny fanentanana nataon’ny «Mobilisation» dia ireo mpanentana ao amin’ny kianjan’ny Finoana Magro Behoririka ivondronan’ireo fikambanana rehetra ao amin’ny Ankolafy Ravalomanana.
Feno indray mantsy ny kianja tamin’ny sabotsy 17 novambra 2012, tonga maro koa ireo olom-boatendry CST sy CT. Lava ary nafonjafonja ihany ny kabary nifanesisesy ka zary tsy tafiditra tao anaty fandaharam-potoana intsony ny hetsika mirindra efa nomanin’ny «Mobilisation» niaraka tamin-dry Lydia (TIM) sy Vololona (Masati) ary i Navalona (Fimapro)... Fanirian’ny maro, amin’izao famaramparanana ny tolona izao, ny mba hidiran’ny Filoha Marc Ravalomanana mivantana matetika mitondra hafatra fohy ary indrindra mankahery ireo vahoaka mpitolona efa sasa-miandry azy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.