Politique

Magro Behoririka Mitohy, hitohy ny tolona…


  • Alarobia 29 Desambra 2010

«Raha mahasoa ny vahoaka ny dinika dia hilamina ka tsy hisy intsony ny hetsika Magro ; raha toa kosa anefa ka ny mifanohitra amin’izany dia tsy maintsy hitohy ny Magro». Ny solombavambahoaka Rodin Rakotomanjato no niteny izany tetsy amin’ny kianjan’ny Magro omaly nanoloana ireo mpiara-dia aminy.

Anisan’ny zavatra andrasana amin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena, hoy kosa ny depiote TIM voafidy tao Ankazobe, Mamitiana Ravelonanosy dia ny fandraisany fepetra raha tsy mbola mivaha ny olana. Ny fiverenan’ny filoha roa lahy, ny fivoahan’ireo gadra politika no fepetra hisian’ny dinika, hoy ihany izy. Nanao antso avo amin-dRamakavelo kosa ingahy Ramino Jean, hiantso ireo namany hifampidinika. Dinika izay tsy maintsy hisy, hoy ny solontenan’ny ankolafy Zafy Albert na inona na inona resaka atao an-gazety sy amin’ireo haino aman-jery. Ny hamaroan’ireo mpiara-mitolona anefa no antoka iray handresena amin’izany dinika izany na tsia. Nambaran’ingahy Marcel, avy amin’ny ankolafy Zafy ihany fa efa manadio ny ankolafy misy azy izy ireo satria saro-pady ny fampihavanam-pirenena.

Raha hatao alasafay, hoy izy ny fampihavanana sy izay ho fifidianana manaraka eo ka hisy filoha hofidiana eo nefa mbola hisy olona hanaiky hatosiky ny mpanjanatany dia mbola hisy foana ny fanonganam-panjakana. Ny ankamaroan’ireo mpanao politika Malagasy rahateo, araka ny fanazavany dia tia vola avokoa ary manana hambom-po diso toerana. Tetsy andanin’izany dia nokianin’ny depiote TIM voafidy tao Beroroha, Razafindrakoto Iharifanja, ny FAT fa miresaka sy midradradradra fitiavana kanefa tsy manaiky ny famelan-keloka. Tsy hisy zavatra handeha eto, hoy izy nanamafy, raha tsy iarahana ny fitantanan-draharaha ary tsy hijanona ihany koa ny tolona raha tsy i “Dada” no miteny hoe : “Aoka izay !” Nambarany ihany koa fa somary diso fandre ireo Malagasy teny amin’ny Kianjan’ny 13 mey tamin’ny fotoanandrony. Hay kapoakam-bary ilay nolazaina fa 500 Ariary fa tsy hoe ny kilao. Toraka izany koa ny menaka. Hatreto aloha izany dia mbola mitohy ary hitohy hatrany ny hetsi-panoherana hataon’ireo Ankolafy Telo.

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT