Politique

Magro Behoririka Misy fetra ny faharetana


  • Alarobia 17 Oktobra 2012

“Na mitabataba adiny roa amin’ny fahitalavitra aza Rajoelina, ny anay antson’i Dada iray minitra dia rava daholo ny tsena”. Ampahany tamin’ny kabary nifandimbiasana teny an-kianjan’ny Magro omaly izany nataon’ny solontenan’ny FokoTIM ao amin’ny Boriborintany faha-3.

 Rehefa natao ny fanadihadiana, hoy i Loginco, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert dia i Marc Ravalomanana no tsara toerana indrindra amin’ireo kandida hirotsaka hofidiana. Tetsy andanin’izany dia nampaneno lakolosy amin’ireo Malagasy mahita fa tsy rariny ny zava-misy kanefa tsy miteny ny mpikambana eo anivon’ny kongresy avy any Moramanga, Randriamamiarizafy Ignace.

Misy fetra ny faharetana, hoy izy ka aorian’ny 18 oktobra raha tsy misy na inona na inona momba ny fodian’i Marc Ravalomanana dia voatery izy ireo “handray andraikitra, handray an-tanana ny firenena”. Fantatra, hoy i Fidison, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert fa atahoran’ny FAT tanteraka ny fodian-dRavalo satria vao migadona eto ny filoha dia mirodana ny fitondrana. Nilaza moa ny tenany fa tsy hisy fampihavanana handeha raha tsy ny profesora Zafy Albert no hitantana sy hitondra izany. Resabe daholo ny ankoatra izay ary dia ho tohintohina hatramin’ny resaka fifidianana rehefa tsy tafody eto ingahy Marc Ravalomanana.

 
Soa 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT