Politique

Magro Behoririka Miomana hitsena ny filoha Ravalomanana


  • Alarobia 19 Martsa 2014


 Mitohy tsy tapaka ny hetsika etsy amin’ny Magro Behoririka ary mirona any amin’ny fanomanana ny fitsenana ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fiverenany an-tanindrazana ny mpitolona. Hisy ny komity manokana hikarakara an’io fitsenana io, hoy Rtoa Brenda. Ity farany izay nampita fa tsy misy zavatra vanona eto amin’ny firenena raha tsy mody i Dada. Elaela tsy niakatra kianja kosa Atoa Leriva Manahirana fa efa miverina amin’ny asany taloha any Brickaville ka voafetra ny fivezivezeny miakatra aty Antananarivo.

Nanao politika isika teto nandritra izay 5 taona izay, hoy izy, raha nitaky isan’andro ny fiverenan’ny filoha Marc Ravalomanana. Ny politika dia mitady fitondrana, hoy izy. Raha izao fandehan-javatra izao, anefa dia hitako fa tsy ho ela dia hiatrika fifidianana fangalana fitondrana isika ka mila miomana amin’izay ka halaviro dieny izao ny fisaratsarahana, hoy izy. Mila fitondrana isika ary matoa ny filoha Marc Ravalomanana nilaza hoe ekeo dia fanazarantena ho antsika ny miditra ao ka mivonona.

Ntsoavina Evariste

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT