Politique

Magro Behoririka Miantso ny fampiharana lalŕna


  • Talata 11 Janoary 2011

Anisan’ny voafaritry ny lalŕna, andininy faha-25 amin’ny satan’ny Vondrona afrikanina, eo koa ny fifanarahan’i Cotonou ny tsy fahafahan’ny mpanongam-panjakana miatrika fifidianana na koa hitondra firenena.

Nisongadina tamin’ny lahatenin’ireo nandray fitenenana omaly tetsy amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka omaly ny fitakiana amin’ny Fianakaviambe iraisam-pirenena ny fampiharana io lalàna io manoloana ny zava-misy eto Madagasikara. Momba ny fitohizan’ny dinika indray dia nohamafisin’ingahy Marcel avy amin’ny ankolafy Zafy fa na inona na inona resahina sy soniavina etsy sy eroa dia ireo filoha telo lahy, Ravalomanana, Ratsiraka ary Zafy Albert no tompon’ny teny farany. Efa vita rahateo ny fampihavanam-pirenena eo anivon’ny Ankolafy Telo, araka ny fanazavana ihany ka tsy handaitra izay fampiadiana aely etsy sy eroa. Mitohy hatrany koa ny ampamoaka momba ireny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 ireny.

Tetsy andanin’izany dia miantso ny Bianco sy ny Samifin ny hanao fanadihadiana tahaka ny raharaha Fign ny vola naparitaka ny 26 janoary, ny 7 febroary ary ny 8 martsa, i Manoela, solontenan’ny tanora. Niantso ny ministry ny raharaham-bahiny FAT koa ny tenany mba hamaly ny ampamoaka nataon’ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina raha toa ka manamafy ny amiraly Hippolyte Ramarosn fa tsy nisy fanonganam-panjakana tokoa teto amintsika. Nambarany ihany koa fa tsy hitondra voka-tsoa mihitsy ny dinika izay hatao eo raha tsy miverina sy tsy milatsaka hofidiana ny filoha Ravalomanana ary mivoaka ireo gadra politika. 

Nangonin’i Soa
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT