«Tsy isika no manana olana fa ny FAT. Sahirana amin’ny fomba hitenenana amin’ny vahoaka hoe tsy maintsy hifanaraka amin’ny Ankolafy Telo ny FAT ka tsy maintsy ho tanterahina ihany izay tapaka tany Maputo”, hoy ny kabary tao amin’ny kianjan’ny Magro Behoririka ny sabotsy lasa teo.
Manahirana ny FAT ny fanatanterahana ireo fampanantenana rehetra nataony, hoy ihany i Rajo, lehibena fikambanana, izay nanamarika fa ny famerenana an-dRavalomanana an-tanindrazana sy eo amin’ny fitondrana ihany no tarigetra satria izy irery no afaka manarina sy mampandroso an’i Madagasikara, hoy izy. Efa nisy ny zavatra voasonia, hoy koa ny Dr Julien, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Ny fanatanterahana izany no vahaolana ary raha vao tonga eto amintsika ny iraka avy amin’ny SADC toa ny Dr Simao, hoy ihany ny solontenan’ny firehana Zafy Albert, dia tokony miverina avy hatrany ny dinika an-databatra boribory. Nambaran’i Marcel kosa fa raha vao tafapetraka ny tetezamita tena izy dia tsy ho afa-bela ny FAT.
Tetsy andanin’izany dia antso no nataon’i Manoela, solontenan’ny tanora sady avy amin’ny ankolafy Ravalomanana ny amin’ny tokony hirotsahan-dRajoelina hifaninana amin-dRavalomanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Na inona mitranga na iza no manao inona dia tsy tokony hierikerika ny vahoaka, hoy izy satria ny vahoaka dia afaka mitondra ny tolona. Tsy misy fitondrana azo ekena izany eto, hoy ihany i Manoela raha tsy ankatoavin’ny fianakaviambe iraisam-pirenena sy ny filoha Ravalomanana. Momba izay indrindra dia mbola ao anatin’ny Repoblika fahatelo ny any amin’ny tapany atsimon’ny nosy, araka ny fanazavan’ny depiote Fanantera Longin Louis. Azo leferina daholo ny zavatra rehetra, hoy izy, saingy tsy azo ekena kosa ny tsy fiverenana sy ny tsy fahafahan’ny filoha Ravalomanana hilatsaka hofidiana filoham-pirenena. Fantatra moa fa dia hiato kely ny hetsika etsy amin’ny Magro ny 24 ka hatramin’ny 26 desambra izao noho ny krismasy.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.