Politique

Magro Behoririka Manohitra ny demokrasia antendro-molotra


  • Zoma 17 Desambra 2010

Nitohy tao amin’ny kianjan’ny Finoana Behoririka ny hetsiky ny ankolafy telo omaly. Fotoana io nanaovan’ireo mpandaha-teny fanazavan-kevitra mikasika ireo vaovao sy zavatra nanamarika ny herinandro lasa iny sy ity herinandro ity.

Tamin’izany no nanaovan’i Julien tsindrim-peo fa hery ho an’ny Ankolafy Telo no sady tsy aneken’ny fianakaviambe iraisam-pirenena no tsy ankatoavany ny referandaoma ny 17 novambra 2010 sy ity hoe fidirana amin’ny Repoblika faha-4. Filazana izay nitaoman’i Eric, mpanentana ao amin’ny Magro, ireo mpiara-mitolona aminy hiray hina satria manomboka hafahafa ny toe-draharaha eto Madagasikara, hoy izy taorian’ny zava-nitranga ny 11 desambra 2010, ka nandehanan’i Andry Rajoelina mivady tampotampoka teny Anatirova, nanao fanamiana mpanjaka. Ny an’i Manoela moa dia ny fitakiana ny hametrahana ny demokrasia marina dia ny fahafahan’ny olona rehetra maneho hevitra ankalalahana, ary koa milatsaka hofidiana tsy misy ailikilika, no novantambataniny fa tsy ho demokrasia antendro-molotra fotsiny ihany. Toa fanamafisana izay nambarany rahateo no nataon’i Rodin Rakotomanjato, depiote Tiako I Madagasikara voafidy tao Arivonimamo, ka nilazany fa «izay kanosa ihany no mijanona any an-trano, hoy i Dada ka tongava miasa, miasa mafy, miasa tsara». Midika io fa dia hitohy ao amin’ny Magro ny hetsiky ny Ankolafy Telo. 

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT