Politique

Magro Behoririka Ho maizina foana ny fiainam-pirenena raha tsy tonga ny Masoandro


  • Alakamisy 29 Novambra 2012

Fampitam-baovao heno teny an-kianjan’ny Magro Behoririka omaly, nentin’ny CT Eric Randrianasolondrabe ny faharavan’ny fivorian’ireo CT teny amin’ny Lapan’i Tsimbazaza omaly maraina noho ny tsy fitovian-kevitra teo amin’ny ankolafy mpifanandrina.

 Na dia fivoriana tsy azon’ny besinimaro natrehina aza no niseho dia heno tsiliantsofina ihany fa fanononan’ny mpikambana CT iray avy amin’ny antoko TGV ny teny hoe : “angaha aty eny amin’ny Magro no …” no fototry ny olana ary dia nivoaka avokoa avy ny mpikambana avy amin’ny ankolafy Ravalomanana.

Nijoroan’ireo CT maro vavolombelona omaly, tao amin’ity kianjan’ny Finoana ity ny lainga afafy mikasika ny raharaha any Atsimo. Roa ny mpitondra ankehitriny, hoy ny any Atsimo, araka ny tatitry ny CST Longin Louis, izay vao avy nandalo tany an-toerana fa i Andry Rajoelina mpitondra tafika tsy maharesy an-dRemenabila sy i Remenabila tenany izay mpitondra tafika koa tsy mety voasambotrao. Ho maizaina foana kosa ny fiainam-pirenena raha tsy tonga ny Masoandro (Marc Ravalomanana), hoy ny CT Imanga Rakotorahalahy fa lainga foana no afafy eto. Tena hanao propangandy koa izahay rehefa migadona eto ny Filoha Marc Ravalomanana fa misaotra anareo manome ohatra, hoy kosa ny CT Razafimandimby Stanislas.

 

Manohy 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT