Politique

Magro Behoririka Hivoaka ho azy ireo gadra politika


  • Zoma 21 Martsa 2014


 

 Mbola nohitrikitrihan’ny tetsy amin’ny Magro Behoririka omaly fa tena misy dia misy ireo gadra politika mbola tavela any am-ponja ankehitriny. Mety ho tatitra diso no azon’ny filoha Rajaonarimampianina, hoy i Fred. Angamba kosa fomba fitenenana diplomatika no nataony, hoy Ralaiamampisainarinony Manoela, ka rehefa tonga eto an-tanindrazana izy dia tsy maintsy hanome baiko ka hivoaka ho azy ireo gadra voalaza ireo.

 

Hampiana fangatahana ny hanovany an’io Lalàmpanorenana efa motraka io izany, hoy Randrianasolondrabe Eric. “Firy amintsika Malagasy tokoa moa no mba tena nahafantatra an’iny lalàna nofidifidiana fahatany iny ?”, hoy Randriamamizafy Ignace. Tsy mahagaga raha milaza ny vahiny fa fitondrana tsy tan-dalàna no misy eto amintsika. Lalàna velona ny famoahana ireny gadra politika ireny sy ny fanokafana ireo haino aman-jery nakatona rehetra ary ny famerenana ny sesitany potilika tahaka ny filoha Marc Ravalomanana ka nahoana no tsy hampiharina ? Aza mirevirevy rehefa manao politika, hoy i Gaona, fa mijere ary iaino ny zava-misy.

RHR/Manohy

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT