Raha ny fahitana ny fihetsiky ny FAT amin’izao dia mikiry mizotra amin’iny lalam-pifidianana iny izy ireo.
Mipetraka anefa ny fanontaniana, hoy Ravelonanosy Mamitiana raha toa ka hahazoana fankatovana iraisam-pirenena izany ary hanao ahoana ny aorian’izany fifidianana izany, fanonganam-panjakana indray ? “Na inona na inona atao eto dia tsy hanaiky izahay fa Ravalomanana tsy maintsy milatsaka hofidiana”, hoy Lanto, solontenan’ireo very asa. Ary ny zava-misy amin’izao fotoana izao, ny antsojay atao amin’ity filoha teo aloha dia propagandy vita ho azy.
Mitodika any amin’ny SADC ny mason’ny rehetra, hoy izy. Araka ny fantatra mantsy dia nisy fihaonana hataon’ny SADC ny 6 desambra ho avy izao, raha tsy misy ny fiovana, ka dia handrasana izay ho vokatr’izany fihaonana izany. Fifidianana malalaka, handrasian’ny rehetra anjara, ary ao anatin’ny fitoniana politika, izay ihany no hamaha olana, hoy Ravelonanosy Mamitiana. Tsy maintsy hirosoana ihany koa ny fampihavanana sy ny famotsoran-keloka, ny famoahana ireo gadra politika rehetra sy ny famohana ireo haino aman-jery nogiazana rehetra. Fantatra moa fa hisy fanambarana lehibe etsy amin’ny Kianjan’ny Finoana ny sabotsy ho avy izao. Samy tsy misy mahafantatra izay ho votoatin’izany ny rehetra fa dia samy miandry.
Soa
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.