Anjaran’ny olomboatendry Ankolafy Marc Ravalomanana no manao ny fanentanana sy fanetsiketsehana samihafa etsy amin’ny Kianja Magro Behoririka rahampitso sabotsy 1 desambra.
Ho hafakely, araka izany, ny zavatra hiseho eny an-toerana satria ankoatra ny maha havanana azy ireo amin’ny fandraisana micro dia izy ireo koa no ambara fa Laiban’ny zanak’i Dada ankehitriny. Mba hisorohana amin’ny mety fifangaroan-kevitra dia nambara ofisialy teo amin’ity kianja ity omaly, fa hovana ho MATITA MATOTRA ny anaran’ny Matita mbola mijanona ho zanak’i Dada. Azo resena amin’ny fanaovana “tee-shirt” misy sarin’i Dada ny propagandy mialoha ny fotoana ataon-dry Andry Rajoelina io, hoy ny resaka tao Behoririka omaly. Isika koa tsy mila mpanakanto malaza vao mahafeno kianja fa fitiavan-tanindrazana dia ampy, ary avelao halalaka ny kianja rehetra dia ho hita eo ny tena herin’ny Zanak’i Dada ê ! Tongava fotsiny mijery ny fiaingany rahampitso etsy Behoririka !
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.