Politique

Magro Behoririka Faradoboka 2010


  • Alakamisy 30 Desambra 2010

Hifarana anio alakamisy ny fifamotoanana etsy amin’ny kianjan’ny Magro ho an’ity taona 2010 ity. Hetsika lehibe no hanamarihana izany, araka ny fanazavana.

Re sy hita ombieny ombieny tato ho ato fa dia nisy ireo sokajin’olona avy amin’ny ankolafy isanisany, toy ny Tiako I Madagasikara, niroso tamin’ny fifampidinihana tetsy sy teroa. Araka ny fantatra àry dia hanao tatitra momba ireny dinika natao tetsy sy teroa ireny ny solontena nandeha tamin’izany. Notsipihin’i Manoela, tanora avy amin’ny ankolafy Ravalomanana anefa fa tsy hisy ny ‘Raharinaivo faharoa’ fa izay manao izany dia ho tapa-doha. Azon’ny rehetra atao, hoy izy, ny fifampiresahana fa tsy mandohalika fotsiny. Ny tetezamita tena izy ihany manko no hidiran’ny ankolafy Ravalomanana satria izay ihany no hahazoana ny fankatoavana iraisam-pirenena. Mbola nohamafisin’ity solontenan’ny tanora ity ihany koa fa dia i ‘Dada’ no ho filohan’ny Repoblika manaraka eo. Tsapan’ny FAT ankehitriny, hoy koa ny depiote Rodin Rakotomanjato nanohy fa dia any amin’i ‘Dada’ tokoa ny lakile.

Na dia sarotra ho an’ireo eo anivon’ny Escopol tokoa aza manko ny nandondona tao Bel Air dia tsy maintsy nataony satria tsy hitany ny lalana hivoahana amin’ny krizy. “Ovao ny lalana fa tsy vitanareo ny raharaha ka tsy maintsy ny latabatra boribory no hiafarana !”, hoy ihany izy. Tsy miala amin’ny zavatra efa nosoniavina isika, hoy koa ny Dr Julien, dia ny tapaka tany Addis Abeba sy Maputo. Tsy mifarana ny tolona raha tsy tratra ny tanjona, hoy ny depiote Marcel, avy amin’ny ankolafy Zafy Albert. Rahampitso zoma no hivory ireo mpomba ny ankolafy Zafy Albert, araka ny vaovao. Fantatra koa fa amin’ity anio ity dia hisy ny fizarana fanampiana ho an’ireo fianakaviana sahirana eny amin’ny faritra Alarobia Amboniloha sy ny manodidina ary dia efa tafapetraka ny komity miandraikitra manokana ireo gadra politika. 

Nangonin’i Soa
 
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT