Mitohy tsy tapaka isan’andro ny hetsiky politika ao amin’ny Magro Behoririka. Saika fankasitrahana ny fanapahan-kevitra noraisan’ny fitondrana Rajaonarimampianina tao anatin’ny 24 ora no niompanan’ny fandraisam-pitenenana omaly. Nilaza i Sazalahy Tsianihy fa «valim-bavaka lehibe ny fialan’i Andry Rajoelina tsy filohan’ny tetezamita intsony, ny fanilihana ny olony ary ny fanesorana ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana nefa tsy nisy ra latsaka». Mety hiverina «zéro» mihitsy ny ao amin’ny Antenimieram-pirenena taorian’ireny, hoy hatrany ity mpikambana tao amin’ny Kongresin’ny tetezamita teo aloha avy any Toliara ity. Nanamafy izany i Feno nilaza fa mahomby hatreto ny tetiky ny filoha Hery Rajaonarimampianina, hany ka mikoropaka tsy matoky tena ny MAPAR dia io izy manakorontana eny Tsimbazaza io.
RHR
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.