Magro Behoririka

> Mbola misy ary mitohy tsy tapaka ny tolona


  • Alakamisy 30 Janoary 2014

“Maro ireo manontany anay mpitarika hoe mbola misy ihany ve izao hetsika ao amin’ny Magro izao ?”, hoy Rarison Hilarion.

Eny tsy am-pisalasalana no valin-teny nomeko azy ireo, hoy ity mpikambana ao amin’ny Kongresin’ny tetezamita ity, ary nasaiko manokana mba hijery ny fahavitrihantsika eto amin’ity kianja ity ry zareo. Isika efa nilokaloka fa tsy misy miala eto raha tsy migadona ka manitsaka eto ny filoha Marc Ravalomanana ary dia handrasantsika izany fa efa akaiky. Efa akaiky satria inona intsony moa no sakantsakana azon’ny mpanohitra hoforonina amin’ny tsy hahatongavany eto ? Efa nekeny ny “Ni… Ni…” tsy nirotsahan’izy sy i Andry Rajoelina mba hahazoany mody. Nekeny ihany koa ny fanalana an’i Neny Lalao Ravalomanana, mbola hahazoany mody ihany. Dia tahaka izany koa ny hoe fanendrena kandidà iray amin’ireo efa misy ho takalon’ny fodiany an-tanindrazana ka inona intsony no mbola filam-baniny hatao eo indray ? Miomana isika amin’ny fitsenana ny filoha Marc   Ravalomanana, hoy ny feo tetsy Behoririka, taomy ny namana hameno kianja fa efa tsy ho ela ny fotoana.

 

Manohy

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT