Politique

Magro Behoririka Be fanantenana ny mpomba an-dRavalo


  • Alatsinainy 10 Janoary 2011

Nanao rodobe nameno kianja tao Behoririka ny mpiara-dia amin’ny Ankolafy Telo ny sabotsy 08 janoary teo, nanoina ny antso nataon’ny KMFB.

Hetsika izay nentin’izy ireo naneho teo imason’izao tontolo izao, indrindra amin’izao hahatongavan’ireo mpanelanelana vahiny eto Madagasikara izao indray, fa tsy maty na koa natory fa mbola eo ary maro an’isa ny Malagasy mitaky ny fiverenana amin’ny ara-dalàna ary manohitra ny fandrombaham-pahefana amin-kery sy ny fanosihosena ny demokrasia ary koa ny fanimbazimbana ny zon’olombelona. Nisedra ny mafy tamin’ny nataon’ny hery famoretana izy ireo, ary niaritra ny fanenjehana sy ny fanapenam-bava ny nefa teo ihany, ary mbola eo hatrany mitaky ny hiverenana amin’ny ara-dalàna manomboka amin’ny fampodiana an-tanindrazana ny filoha voafidim-bahoaka Marc Ravalomanana sy ny filoha Ratsiraka ihany koa.

Ny an’i Manoela aza moa tonga hatramin’ny filazana fa «tsy mangataka ny filoha Ravalomanana hody fotsiny fa ny filatsahany hofidiana mihitsy no ilaina ary i Andry Rajoelina no hangatahana hifaninana aminy» ny teniny. Nezahin’ireo mpandaha-teny tao amin’ny Magro Behoririka nohazavaina sy noporofoina, niainga tamin’ny ampamoaka nataon’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina, fa mitombina avokoa ny fanapahan-kevitra nataon’ny filoha Marc Ravalomanana fony mbola nitantana ny firenena izy, na eo amin’ny ara-toekarena izany tamin’ny fifehezana ny fidim-piainana, na teo amin’ny lafiny sosialy, indrindra ny lafiny politika izay voaporofo ankehitriny fa fanonganam-panjakana tsotra izao no nitranga teto. Izy tenany Marc Ravalomanana rahateo efa nilaza ombieny ombieny, hatrany ampiadohan’ny krizy fa «mbola hivoaka ny marina».

Tamin’izay no nanentanany ary mbola anentanany hatrany ireo mpomba azy hanana faharetana, haneho firaisankina ary hino sy hanantena ka famerimberiny ny hoe «tsy misy manaiky resy tsy miady izany», fony mbola teny amin’ny Magro Ankorondrano ny hetsika. «Tsy arakaraky ny resaka sy ny vavabe tamin’ny 2009 sy 2010 fa voaporofo ankehitriny», hoy i Rodin Ratokomanjato fa «na ny FAT aza mila ny SADC, eny fa hatramin’ny lietnà-kolonely Charles Andrianasoavina aza maniry ny hihaona amin’ny mpanelanelana». «Koa omeo hery ireo mpidinika», hoy i Constant Raveloson, sady nisaotra noho ny fahatongavan’ny olona maro tamin’io andro io. Hatramin’ny tanàna manodidina ny renivohitra, toa an’i Imerintsiatosika aza moa nahatonga solontena tamin’ity fihaonana ity. 

Nanoginin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT