Politique

Magro Behoririka “Aoka tsy hifamitapitaka eto !”


  • Zoma 14 Janoary 2011

“Tsy maintsy andrim-panjakana ao anatin’ny tetezamita tena izy ny Komitin’ny fampihavanam-pirenena na ny CNR”, hoy ingahy Dauphin, avy amin’ny ankolafy Zafy. Ny profesora no tokony hitantana izany andrim-panjakana izany, satria izy no namolavola io ary mahalala ny zavatra rehetra nanomboka tamin’ny taona 1947.

Momba ny dinika atao etsy sy eroa dia nambarany fa tokony hajanona izany fa mila mivoaka aloha ireo gadra politika rehetra. Nisongadina tetsy amin’ny kianjan’i Magro koa omaly na ingahy Désiré Rakotondramanana avy amin’ny FRDL na ingahy Dauphin, fa “ny mpanongam-panjakana dia tsy tokony hitondra fanjakana na koa hilatsaka hofidiana”. Takiana ny ampiharana izany lalàna iraisam-pirenena izany, hoy ireo nandaha-teny ary any La Haye ny tribonaly ho amin’izany. Nambaran’ny solontenan’i Mahajanga moa fa tsy manakiana ny fisiana dinika an-databatra boribory izy ireo saingy tokony horaisina ny fanonganam-panjakana nisy teto. Manahy ny hisiana fitaka, tahaka izay fahita hatramin’izay izy ireo. “Ravalomanana miverina sy milatsaka hofidiana ihany no fantatray ka izay manohana izany dia miaraka aminay, izay manohitra izany kosa dia adversera”, hoy ihany izy ireo.  

Nangonin’i Soa

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT