Tsy ho praiminisitra i Haja Resampa ka mahaiza mionona ianareo MAPAR, hoy i Sazalahy Tsianihy tetsy amin’ny Magro Behoririka. Nohamafisin’i Viky izany tamin’ny filazana fa aoka izay ny anareo MAPAR. Ampy anareo izay 5 taona izay, aleo ho an’ny hafa indray fa aza tia tena. Matoa i Pety Rakotoniaina sy Voninahitsy Jean Eugène miova fiteny, dia efa tsy misy “clé” intsony, hoy ny tanora, fa mody Ravalomanana. Tena nankahala ny filoha Ravalomanana koa ny depiote teo aloha Zakahely Boniface, hoy i Zafilahy Stanislas. Ankehitriny anefa dia anisan’ny manandra-peo koa hoe : avereno amin’ny tompony ny fahefana fa fandrosoana tsy misy Marc Ravalomanana izany tsy azo eritreretina. Ny antsika dia i Dada mody ihany fa izy no mahalala ny fiaraha-miasa amin’ny prezida Hery Rajaonarimampianina, hoy i Mémé.
RHR/Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.