Politique

Mafy ny ady Mitady hilalao fivavahana ny Fanjakana ?


  • Talata 09 Martsa 2021

Mbola mitana ny sain’ny maro ilay fotoam-bavaka nokarakarain’ny Mpitondra Firenena ny sabotsy teo teny Mahamasina,

 nalahatra tamin’ny famoriam-bahoaka ara-politika nataon’ny mpanohitra. Tsy anjarantsika no mitsara, fa kosa andeha hampifandraisina amin’ny raharaham-pirenena. Fifandrifian-javatra ihany ve ny nanaovana azy nifanitsaka tamin’ny famoriam-bahoakan’ny mpanohitra? Sao sanatria natao fitaovana hoenti-misarika olona ny fivavahana hampisehoana hoe jereo ihany koa izahay fa mahazaka vahoaka? Na koa hoe izahay no mendrika kokoa fa mivavaka, fa tsy toa iretsy manao kabary politika? Efa mety tsy mandaitra intsony ny paikady rehetra hafa dia miditra any anaty fivavahana sy finoana indray satria ny Malagasy efa ela no natahotra an’Andriamanitra. Io ilay hoe aza ny lohasaha mangiana no jerena fa Andriamanitra ao an-tampon’ny loha. Isika koa anisan’ny fiarahamonina miaina anaty finoana hery lehibe na hery miafina heverina fa mandrindra ny fiainana. Sanatria lalaovina amin’izany kosa ve? Zava-dehibe ny fampisehoana fa mivavaka sy miankohoka amin’Andriamanitra, ary tena mampihetsim-po ny besinimaro,… Mety ho lasa endrika ivelany izany fa ny fahintsiana, ny fahazavam-po, ny fomba fiasa arahina tahotra an’Andriamanitra,… no zava-dehibe. Tokony ho hita taratra any amin’ny fitantanana firenena izany, saingy hatreto aloha mbola betsaka ny lolom-po hita miharihary, ny fisamborana sy fanagadrana ireo tsy mitovy hevitra amin’ny tena, ny kolikoly sy fitantanana tsy mangaraharaha,…. Tsy finiavana hitsikera, fa mbola hanjakan’ny tsy fanjariana ny fomba fitantanana ny firenena, fa izay fahagagana ato ho ato no tsy hay. Izay no mahatonga ny saina halaim-panahy handefa eritreritra hoe: sao dia mba tadiavina holalaovina ny resaka finoana sy fivavahana izay mifandipatra amin’ny voalazan’ny lalàmpanorenana amin’ny tsy hanafangaroana ny raharaham-pinoana sy ny raharaham-panjakana ?

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT