Namaky bantsilana ireo tsy tomombana sy hala-bato nataon`ireo izay voalaza fa ho kandidàm-panjakana ny fivondronan`ireo kandidà ho depiote ao Toamasina.
Efa hitan`izy ireo tany amin`ny fampielezan-kevitra ny tsy fanarahan-dalàna ary nitohy hatramin`ny fanodinkodinana ny vaton`ny vahoaka, hoy Rakotomalala Henri na Riri Be, kandidà depiote tao Toamasina. Taorian`ny fifidianana vao fantatra fa nisy fanamboarana lisi-pifidianana miainga avy amin`ny asa tana maro (HIMO) izay nokarakarain`ny FID. Natao isaky ny fokontany izy io ka nalaina avy tany ny lisitra ary nampidirina ireo olona tao anatin`ilay asa tanamaro. Ny sefo-pokontany no miara-miasa amin`ny CENI ka ity farany no namoaka ny lisi-pifidianana. Betsaka ny olona no soloina ka izany no nahatonga ny 60%-n`ny mponina tao Toamasina tsy tafiditra tao anatin`ny lisi-pifidianana. Nandritra ny fifidianana ihany koa dia nisy hatrany fividianana safidim-bahoaka, hoy i Riribe. Alaina sary ny vato harotsaka ao anaty trano fisainana saingy efa misy olona manome roa alina amin`izay mifidy kandidàm-panjakana rehefa any ivelany. Tsy hanaiky lembenana ny kandidà ary hitondra ny raharaha eny amin`ny HCC. Hisy fitoriana amin`ny tenany manokana ary hisy ihany koa ny fitoriana hitambarana. Tanjona ny hanafoanana ny fifidianana solombavambahoaka tao Toamasina farany teo ary hamerenana izany madio tsara.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.