Politique

Madagasikara Mbola Repoblika sadasada hatreto


  • Alakamisy 19 Mey 2022

Mason-tsivana maromaro no mamaritra sy voafaritra ao anatin’ny maha Repoblika: fahaiza-mitantana, mangarahara, fanajana ny demokrasia, fanjakana tan-dalàna, fitsinjaram-pahefana, fitantanana mahomby,...

Rehefa tsy voahaja sy tsy mbola tanteraka ireo, dia mbola sarintsarina repoblika izany no misy. Asa aiza ho aiza izany i Madagasikara amin’ireo lafiny ireo? Fampiesonana aloha no betsaka. Tsy misy fitantanana madio sy mangaraharaha izany eto, fitsanjaram-pahefana sampontsapona tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana. Tao anatin’ity Fitondrana ity no nisiana ahiahina afera maloto momba ny fitantanam-bolam-panjakana betsaka indrindra tratry ny vaky bantsilana. Isan’ireny raharaha fitantanam-bolan’ny coronavirus nanaovana mpiasa nisahana ny tsenambaro-panjakana ampamoaka tao amin’ny Minisiteran’ny fahasalamana, saingy izy indray no nohenjehina sy nohelohina ary mbola horohoroana ara-pitsarana. Ireny niaraha-nandre ireny ny tatitry ny Fitsarana momba ny kaonty mikasika ny fandaniana ny 444 tapitrisa dolara na 1818 miliara Ar tamin’ny famatsiam-bola momba ny coronavirus, izay nirarakopana ny endrika tsy fangaraharana,… Ny resaka fitsinjaram-pahefana sarintsariny, ary mbola misy endrika fandikan-dalàna saingy terena hety sy tefena hifanaraha amin’ny mpitondra moa raha tsy hilaza afatsy ny resaka governora, izay tsy misy ao anaty lalàmpanorenana satria Lehiben’ny faritra fidiam-bahoaka no voafaritry ny andininy faha-154. Hireharehana ny tetibola 2 miliara Ar isaky ny governora izay tsy voafidim-bahoaka kanefa mikirakira sy manapaka amin’ny volam-panjakana, ny faritra samy manana ny velarany sy ny isan’ny distrika ao anatiny. Hitovy ve ohatra ny Faritra Bongolava tsy misy afatsy distrika roa sy ny any Atsimo Andrefana manana distrika miisa 9? Raha fitantanana mahomby na “bonne gouvernance” izany dia tsy ity Fitondrana Rajoelina ity mihitsy no fitaratra, antony mampahantra tanteraka ny firenena. Raha tokony ho henatra ny hoe: I Madagasikara no nataon’ny Firenena Mikambana ho fitaratra na “pilote” amin’ny politika ampiharina amin’ireo tany mahantra sy marefo indrindra, dia lasa rehareha izany ho an’ny mpitondra. Moa tsy vokatry ny tsy fahaiza-mitantana ve no mamparefo sy mampahantra fadiranovana ny firenena ?
Toky R
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT