Politique

Madagasikara Manana olana amin’ny resaka lalàna sy fitantanana


  • Talata 06 Oktobra 2020

Adinontsika fa rafitra sy fandaminana na “organisation” ny firenena, hoy ny mpahaifitantanana Ricky Andriamampandry, avy ao amin’ny Antso fiarahamonina Kristianina dia io tsy tantanana io.

 

 

  Maro ny zava-misy tsy mandeha araka ny tokony ho izy eto amin’ity firenena ity ny fitantanana azy ary tsy vao sambany no nahenoana hoe nobeazina haka diplaoma mba hitady sy hahita asa ny tanora Malagasy hatramin’izay fa tsy hanangana na hitantana. Nalaza ho nikorontana moa teo aloha teo ny fitantanana ny rafitra mitantana ny baolina kitra. Milamindamin-dratsy izy ankehitriny. Tsy mbola nisy fikarakarana ny fifidianana ihany koa teto ka heno hoe nahafa-po ny maro fa saika nahitana tsy fahatomombanana sy tsy fanarahan-dalàna hatrany. Ny lalàna rahateo samy manana ny fandikany sy fandraisany azy daholo, ka hatramin’ny lalampanorenana avy aza dia samy hafa no fandraisana azy. Mampametra-panontaniana ankehitriny hoe sao dia be teoria fotsiny aza ny Malagasy fa sahirana rehefa mampihatra.Iny eo ihany fa ny tsikaritra ihany koa dia ny fitadiavana sy nyvola no mibaiko ny maro ka atao izay hahatsara rafitra ny CV mba hahazoana asa.Tsy ampy ny finiavana sy faniriana hahay zavatra, fa ny hahazo mari-pahaizana aloha no laharampahamehana. Ny resaka lalàna, fitantanana ary serasera izao no be mpanao indrindra eto Madagasikara saingy tsy mety voalamina ihany ny firenena.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT