Politique

Madagasikara - Frantsa Hihaona an’io Rajoelina sy Macron


  • Talata 28 Mey 2019

Niala teto an-tanindrazana omaly takariva nihazo an’i Lafrantsa Filoha Andry Rajoelina. Manatanteraka fitsidihana ara-pomba ofisialy any an-toerana manomboka anio 28 mey 2019 izy.

 

 

Fivoahana any ivelany fanin-diminy hatramin’ny fianianany. Rahampitso 29 mey dia ho raisin'ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron ao amin'ny lapam-panjakan’i Elysée i Andry Rajoelina. Hisy fa ifasoniavana fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny  roa tonta, raha ny nambaran-dRajoelina tetsy Ambatobe omaly. Tsy fantatra mazava hatreto ny votoatin’izany. Hihaona amin'ireo Malagasy mpila ravinahitra ao Frantsa ihany koa ingahy filoha. Mety hotendrena tsy ho ela ny Ambasadaoro Malagasy ao Frantsa. Raha ny sarintsarim-pifidianana nataon’ireo Malagasy any tamin’ireny fifidianana filoha ireny, dia 70% mahery ny misafidy an’i Marc Ravalomanana, ary tsy i Andry Rajoelina no faharoa fa mbola olon-kafa. Raha ny politika ao Frantsa indray, dia ratsy toerana ny Filoha Frantsay, ary resin’ny Antoko RN an’i Marine Le Pen amin’ny isa 23,3% ny LREM MODEM misy azy (22,4%) amin’ny vokatra savaranonandon’ny Fifidianana parlemanta Eoropeanina.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT