Politique

Madagasikara Faha-29 amin’ny firenena 31 mahantra indrindra


  • Alakamisy 27 Febroary 2020

Nopotsipotserin’ny gazety vahiny Mediapart ny tsy fetezan-javatra rehetra nanomboka tamin’ny fotoana nandraisan’ny filoham-pirenena ankehitriny,

Andry Rajoelina, ny fitondrana tetezamita 2009 sy ny nahazoany ny toerana maha filoham-pirenena ny taona 2019. Raha fehezina ny famakafakana taonan’ny fanantenana nanjary fitaka ary fampanantenana nanjary kobaka ny taona 2009 ho an’ny Malagasy. Talohan’io taona io tsinona dia efa nizotra ho any amin’ny fahafahana sy fampandrosoana tanteraka ary fiainana milamana ombam-piahiana ara-pahasalamana ny malagasy. Neverina ho tafapetraka hatramin’ny taona 2018 izany, hoy ny mpamakafaka kinanjo… tonga ny mpanongam-panjakana izay nilaza fa mendrika sy demokraty ary nanome an’Ambohijatovo ho kianjan’ny demokrasia… saingy tsy araka ny niheverana azy avy eo no nitranga. Voafidy ho filoham-pirenena i Andry Rajoelina ny taona 2019 ary nandresy ihany koa ireo mpiaradia aminy tamin’ny fifidianana depiote sy kaominaly ary dia mbola vitany ihany ny nandrotsirotsy ny vahoaka malagasy tamin’ny kabary tsara lahatra. Vao 2 volana nandraisany ny toerana maha filoham-pirenena dia efa nitohivakana ny hetsika sy fitakiana maro. Ankehitriny, miditra ny taona 2020 ary raha ny fahitana ny toe-draharaha, hoy ity gazety ity, dia ho taonan’ny hetsika sy fitakiana izany. Raha nantenaina ho sompitry ny ranomasimbe indianina i Madagasikara dia nivarina ho laharana faha-29 amin’ireo firenena 31 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Izany hoe, fahatelo avy aty amin’ny farany. Raha nosy mena no nahafantarana ity nosy ity hatrizay dia zary tandindomin-doza volomboasary indray izy ankehitriny, hoy ny sary nataon’ity mpamakafaka ity, ary ahiana mafy ny ho aviny.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT