Politique

Madagasikara Demokrasia an-tsoratra no iainana


  • Talata 03 Novambra 2020

Niaina krizy politika mahery fahadimy tamin'ny tantarany i Madagasikara hatramin'ny niverenan'ny fahaleovantena ny taona 2018. Nanomboka ny taona 1972 hatramin` ny 2018 dia nifototra tamin'ny fitakiana nifandray mivantana na tsia tamin'ny demokrasia sy ny manodidina azy :

 

fifidianana madio, fahalalahana maneho hevitra, manao fitakiana, sns... Raha faritana tsotsotra aloha ny demokrasia dia endrika governemanta, miantoka ny fitovian-jo sy ny fahafahan’ny olom-pirenena tsirairay. Firenena demokratika marina ve i Madagasikara amin’izao fitondrana Rajoelina izao ? Iaraha-mahita sy miaina ny zava-misy eto amin’ny firenena tato anatin’izay roa taona latsaka izay. Tsy misy afaka hilaza fa malalaka ny fanehoana ny hevitra sy fahafahana miteny. Iaraha nahita ireny fanakanana ny tatitra nokasain` ireo solombavambahoakan`i Madagasikara tany Fianarantsoa ireny ny sabotsy lasa teo. Nanamafy izany rahateo ny hafatr`i Antonio Guterres, sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana (ONU) nandritra ny andro iraisam-pirenena ho an’ny demôkrasia, ny 15 septambra teo. Araka izany, misy tokoa ve ny demokrasia eto amintsika ? Tsy mbola misy izany satria tsy mahafeno ny fepetra rehetra mametraka izany soatoavina izany isika. Ny demokrasia dia mifototra amin'ny fotokevitra marobe toy ny fifidianana madio, azo itokisana ary ny fanajana ny lalàna amin'ny rehetra, fitantanana tsara ny raharaham-panjakana, fandraisana anjaran'ny olom-pirenena, fahamendrehana, fangaraharana, fandraisana andraikitra ataon'ny olom-boafidy , ny fisarahana ny fahefana miantoka ny fahaleovantenan'ny fitsarana, ary ny fanajana sy ny fiarovana ny zon'olombelona. Marihana fa i Madagasikara dia tsy mpikambana amin` ny Community of Democracies, vondrona mampifandray ireo firenena demokraty maneran-tany. Madagasikara rahateo dia mbola tsy nankato ny Sata afrikanina momba ny demokrasia, ny fifidianana ary ny fitantanana, na teo aza ny fampanantenan'ny governemanta hanao izany tamin'ny volana may 2015. Ny tena olana ihany koa dia mitoetra amin'ny tsy fisian'ny fahalalana, eny na dia ny atao hoe demokrasia. Ny vahoaka tsy nahita fianarana dia tsy mahatakatra ny fampiharana ny tena demokrasia izay mety hitarika ny firenena mankany amin'ny fahamarinana ara-tsosialy lehibe kokoa sy hanatsara ny fari-piainan'izy ireo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT