Politique

Madagasikara anaty hamehana Tsy refesi-mandidy ny fanjakana


  • Alatsinainy 23 Martsa 2020

Tapaka nandritra ny filankevitry ny ministra sy taorian’ny fakan-kevitra nataon’ny Filoham-pirenena an’ireo Filohana Andrimpanjakana telo fa mipetraka eto Madagasikara ny « FAHAMEHANA ARA-PAHASALAMANA» (état d’urgence sanitaire),

 

 araka ny didim-panjakana ny didim-panjakana laharana faha 2020-359 tamin’ny 21 martsa 2020. Noho izany, mihatra eto i Madagasikara io « Fahamehana ara-pahasalamana » mandritra ny 15 andro noho ny antony ara- pahasalamana, nohon’ny fisian’ny toe-javatra goavana mampisahotaka ny fiainam-bahoaka, mba hampizotra ara-dalàna ny asan’ireo fahefam-panjakana. Mifehy ny fampiharana rehetra araky ny voafaritry ny fehezan-dalàna mahakasika ny Vanim-potoana Manokana (situation d’exception) mametra ny atao hoe Fahamehana. Araka izany, dia azon'ny Filohan'ny Repoblika hahetsika avy hatrany (réquisition d'office) ny sampan-draharaha rehetra amin'ireo sehatra maro, na miankina na tsy miankina amin'ny fanjakana: Ny dikan'izany dia raha misy ilaina amin’ireo sehatra ireo mandritra ny état d'urgence sanitaire dia tsy mila manao lalàna hafa intsony fa afaka manome baiko avy hatrany ny Filohan'ny Repoblika izay solon'ny Praiminisitra na ny mpikambana ao amin'ny governemanta tena arakaraky ny sehatra voakasika. Raha fehezina, dia afaka mandray fepetra manokana ka mametra ny fahafahana mivezivezy, ohatra, ny fanjakana rehefa nambara fa anaty “Etat d'urgence” ny firenena iray.Ohatra: afaka misava olona sy fiara amin'ny fotoana rehetra.Afaka misava toeram-pivarotana. Somary voafetra kokoa noho izany ny fahafahan'ny isam-batan'olona ary mitombo kokoa ny fahefan'ny fanjakana amin'ny olona sy ny zavatra rehetra mitoetra ao amin'ilay firenena. .Tsy maintsy misy fototra sy fiaingana araka ny lalàna ny zavatra rehetra ataon'ny fanjakana dia izay no nandraisany an'io hoe” Etat d'urgence sanitaire” io. Malalaka kokoa ny fiasany hahafahany misoroka ny loza, manenjika sy mifehy ireo mpanararaotra ary miaro sy manampy ny vahoaka...

Marigny A sy Tsirinasolo

 

Ireo sehatra voakasika :

Famatsiana entana (ravitaillement), rano sy angovo (eau et énergie), tobim-pahasalamana sy hopitaly (service de sante et hôpitaux), fitsaboana biby (service vétérinaire), fifandraisan-davitra (télécommunications), Haino aman-jery (radiodiffusion et télévision), Banky isan-karazany (établissements bancaires), Fanadiovana (Service de voirie), Fanaraha-maso ny volam-panjakana (Direction du contrôle financier), Sampan-draharaha rehetra avy amin'ny andrim-panjakana (services rattachés aux institutions), Minisiteran'ny fitsarana sy ny tribonaly rehetra, Minisiteran'ny raharaham-bahiny, Minisiteran'ny atitany, Minisiteran'ny fiarovam-pirenena, Minisiteran'ny vola, Minisiteran'ny fambolena

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT