Manao fitetezam-paritra manerana ny Nosy amin’izao fotoana izao ny antoko MAF na Madagasikara AFaka tarihin’ny Maitre Avoko Rakotoarijaona.
Ireo mpikatroka kung-fu WISA manerana ny Faritra 22 no tetezina omena fiofanana sy torolalana ara-batana, ara-panahy ary ara-tsaina hiatrehana ny fiainam-pirenena izay efa mihazakazaka amin’izao fotoana izao. Vonona ny MAF hiatrika izay fifidianana rehetra hisy eto amin’ny firenena, hoy ny Maitre Avoko Rakotoarijaona raha nandalo tao Ambositra ny talata 27 novambra teo. Hipoka mpikatroka kung-fu WISA tao amin’ny Maison des Jeunes Alakamisy tamin’io fotoana io. Famerenana ny hasin’ny mpanao kung-fu ao Amoron’i Mania sy fametrahana ny fototry ny antoko MAF ao an-toerana ary fakan-kevitra ireo filankevitry ny Antoko isam-paritra no anton-dian’ny Maitre Avoko Rakotoarijaona tany an-toerana.
«Mila aina vao ny firenena», hoy ny Madagasikara AFaka, satria efa iaraha-mahalala fa tena robain’ny vahiny mpanam-bola ny fananan’ny Malagasy, izay lasa tompony mangataka atiny tsy fidiny. Efa nanaitra ny Malagasy tamin’ny alalan’ny «Mifohaza ry Gasy» ny MAF ka ho avy handray anjara amin’ny raharaham-pirenena amin’izay. Aorian’izao fakan-kevitra izao vao mety ho fantatra ireo kandida hatolotry ny antoko MAF amin’ny fifidianana rehetra ho avy. Amin’ny MAF dia lalana roa ihany no ivoahana amin’ny krizy dia fifidianana na fitarihana olona hidina an-dalambe. Tsy mendrika amin’izao vanim-potoana izao intsony anefa ity lalana faharoa ity fa ny fifidianana ihany ka tsy maintsy mihetsika sy mivonona dieny izao isika, hoy ihany ny Maitre Avoko Rakotoarijaona.
Vahaolana tsotra ihany dia ny fiverenana amin’Andriamanitra sy fametrahana andrim-panjakana hendry sy matotra no mahatafavoaka an’i Madagasikara. Ity firenentsika ity amin’izay no hatanjaka sy ho lasa lohany ara-toekarena sy ara-tsosialy aty amin’ny ranomasim-be Indianina amin’ny taona 2017 raha tanteraka ireo vinavinan’asa ireo. Ny Faritr’i Vakinankaratra indray no nanohizan’ny Maitre Avoko Rakotoarijaona ny fitetezam-paritra nataony taorian’ny tao Amoron’i Mania.
Rado
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.