Politique

Madagasikara 2009-2022 Fampiesonana manara-penitra


  • Talata 19 Jolay 2022

Revolisionina no noresahina, fahantrana lalina sy fihemorana tsy nisy tao anatin’ny 60 taona no notazana. Midika izany fa fampiesonana manara-penitra no betsaka. Ny taona 2009, novoizina ny hoe tsy ekena ny ampihimamba olon-tokana na olom-bitsy no manao ny fandraharahana.

Inona moa ny zava-misy amin'izao eto Moa tsy olom-bitsy no mifehy ny toekarena sy ny fandraharahana ary vahiny aza ny ankamaroany Tsy ekena ny didy jadona, tsy ekena ny fivarotana tanindrazana, ataontsika 2500 Ar ny litatry ny menaka, tsy nisy famatsiam-bola kanefa nandeha ihany ny fiainam-pirenena,… Ankehitriny anefa, lokon'akanjo hanaovana aza mampiditra anao am-ponja. Iza avy no mangorona ny tany eto Tsy malagasy aloha no maro an’isa va ny vahiny. Ny vidin’ny entana ilaina andavanandro (PPN) efa tena zava-doza. Mitalaho etsy sy eroa mitady famatsiam-bola. Ny taona 2014, nipoitra ny Hery Vaovao ho an'i Madagasikara (HVM) niaraka nanao propagandy aloha, avy eo tsy nifanaraka. Tsy nanaiky nobaikoana sy natao saribakoly intsony ny Filoha tamin’izany Atoa Hery Rajaonarimampianina avy eo. Atoa Edgar Razafindravahy no lany ho kandida teny amin'ny kongresin'ny TGV teny Andranomena, saingy Rajaonarimampianina no nasisika ho kandida. Izany ve tsy efa fanaovana tsinontsinona ny antoko sy tsy fahamatorana Nohozongozonina sy nezahina nahongana ilay Fitondrana napetraka. 2018, nilaza fa efa niomana, efa nianatra nandritra ny 4 taona, efa vonona ny IEM hampandrosoana an'i Madagasikara, efa vonona ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon'antoka,… Voasoratra hatramin'ny boky, nolazaina fa ny hahazoana ny fahefana no ela dia mihazakazaka manao “vitesse TGV” ny fampandrosoana. Kianja, hopitaly, sekoly manara-penitra. Resy lava anefa ny Barea, fotodrafitrasa voajery fa ny fotodrafitr’olona dia ny mpampianatra anjorom-bala. Tsy voaloa karama ny mpiasan'ny fahasalamana, tsy ampy isa,... Miha ratsy ny kalitaon'ny fampianarana. Voafetra ihany ny tetibola hananganana tobin’ny zandary, fa rehefa kianja anefa misy vola foana, ary ampanantenaina isaky ny distrika. Hatraty amin’ny 2022, ny Governemanta efa niova in'efatra izay endriky ny tsy fahombiazana.
TSY MISY ZAVATRA VOAFEHY
Ny delestazy manimba fihariana, misy akony ratsy any amin'ny toekarena. Mbola tsy ampy ny sakafo ny Malagasy. Ny solika ahiana mbola hiakatra io na tsy hidina mihitsy. Tsy mazava hatreto hoe inona no paikady fanampiana avy amin’ny fanjakana na fisorohana ny fidangan'ny vidim-piainana sy ny fanalefahana. Inona no arofanina Ny politika hafahafa, tsy misy fitoniana, atahorana hampikorontana raha tsy voalamina indrindra fa amin'ny fifidianana. Fifanarahana politika ve sa fikaonan-doham-pirenena no atao Iza no hitantana izany, inona avy no horesahana sy hanapahan-kevitra ao. Tsy te hihaino na iza na iza ny Fanjakana fa sokajiana ho mpanakorontana izay miteny ivelan’ny fitondrana. Ny Diplaomasia, na dia teo aza ny fandaminana natao dia mandalo krizy, marefo, lasa misy fifandirana ao amin'ny ministera ary manahirana fa tafiditra ny resaka foko sy fihaviana. Ny ady amin’ny kolikoly volamena anaty vata manjavona, volamena any afrika atsimo taraiky any. Toa mikatso izany ny zava-drehetra eto fa nahoana Tsy ady an-trano, tsy loza voajanahary goavana fa tena tsy fahaiza-mitantana tsotr’izao.

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT