Politique

Lonilony ao anaty Governemanta Alentiky ry Lalatiana R. i Andry Ramaroson


  • Alakamisy 04 Aogositra 2022

Na teo aza ny fanambaran’ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo na OMH fa ampy ny tahirin-tsolika, ary miverina ny famatsiana ho an’Antananarivo, Antsirabe, Fianarantsoa, dia mbola nilaharana ihany ny toby sasany teto Antananarivo omaly maraina satria tsy nahitana ny sasany.

Nitantadahatra ireo taksibe sy ny taksibrosy ary ny fiara tsotra. Nanaitra kosa ny fanehoan-kevitra tao amin’ny pejim-baovaon’ny orinasan-tseraseran’ny Minisitry ny serasera sy ny kolotsaina Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy omaly mikasika io fisian’ny olana sy fikorontanan’ny famatsiana solika io. “Saika tsy ahitana gazoala ny tobim-pamatsiana solika na “stations services” rehetra manerana renivohitra nanomboka tamin’ity maraina ity. Ny OMH efa manambara fa ampy tsara ny tahirin-tsolika (lasantsy sy gazoala) manerana an’i Madagasikara. Inona izany ilay olana?”. Izy ireo ao anatin’ny Fitondrana indray no manontany hoe: inona izany ilay olana ka somary mahagaga? Rehefa tena dinihina lalina, ahitana taratra ny fikotorontanana sy ny fifaminganana ao anaty Fanjakana io, karazan’ny famelezana ankolaka sy fanitsohana ary fandetehana ny Minisitry ny angovo sy ny akoran’afo sy ny ekipany ho tsy mahavita ny asany. Ny Ofisim-pirenena momba ny akoran’afo rahateo, dia eo ambany fiahiahian’ny Minisiteran’ny angovo sy ny akoran’afo. Efa niaraha-nahita hatrizay ary efa vaky ambatolampy ny tsy fifankahazoana teo amin’ny minisitra ankehitriny Atoa Andry Ramaroson sy ny Sekretera jeneralin’io minisitera io teo aloha Atoa Andry Andriatongarivo, izay vadin’ny minisitry ny serasera. Miharihary ny mbola fisian’ny lonilony, ka raha fiombonan’ny governemanta na “solidarité gouvernemantale” no tokony hiseho amin’izao fotoan-tsarotra sy olana mianjady amin’ny mpitondra izao, dia toa karazana fifaminganana sy fifanitsohana ary fitarihana ny olona hitora-bato sy hanenjika ny minisitera hafa no toa miseho ankehitriny. Ny samy ao anaty governemanta no mifanontsana fa tsy mifampiaro. Ny ao anatiny aza mifamely ka inona intsony moa no azo antenaina amin’ity Fanjakana ity ?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT