Politique

Loholona vaovao « Tsy maha maika aloha ireo fanadihadiana parlemantera »


  • Talata 26 Janoary 2021

Mampiseho finiavana hisafidy ny hisolo tena ny vondrom-bahoakam-paritra ireo loholona vaovao.

 

 Raha ny andraikitra voalohany amin` ny maha parlemantera ny fanaraha-maso ny asan` ny governemanta dia tokony hifantoka bebe kokoa amin'ny zava-misy eny ifotony noho ny raharaham-pirenena. Raha ny nambaran` ny Filohan` ny Antenimierandoholona vaovao, Herimanana Razafimahefa, ny laharampahamena ho an` ity andrimpanjakana ity dia tsy ireo « fanadihadiana parlemantera » aloha. Fa kosa « tokony ho vonona amin’ny andraikitra izay hiantsorohana, izay miainga avy any ifotony », hoy izy nandritra ny lahateniny nandritra ny lanonana famindram-pahefana nifanaovan’ny Filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha Rivo Rakotovao, omaly. Etsy ankilany, ny filoha Rivo Rakotovao, dia nanamafy ny andraikitry ny Antenimierandoholona amin` ny fanaraha-maso ny asan` ny governemanta. "Ny Antenimierandoholona dia tompon'andraikitra amin'ny fifehezana ny fitantanana raharaham-pirenena mba hialana amin'ny krizy", hoy izy. « Ary tsy maintsy izany » hoy hatrany izy, raha nanindry ny fisian` ny tatitrin` ny vaomiera parlemantera eo anivon` ity andrimpanjakana ity mahakasika ireo raharaha efatra izay nataon` ireo loholona namarana ny fe-potoam-piasany.

 

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT