Politique

Loholona sy Fanjakana foibe Ho raikitra ny ady ny farany


  • Talata 20 Oktobra 2020

Nanamafy ny teo anivon’ny Antenimierandoholona ho tohin’ny fanambarana efa nataony ny 07 oktobra, fa mbola tratry ny ankivy ara-bolan’ny Minisiteran’ny vola sy ny tetibola amin’ny tokony hamoahana ny vola hoenti-miasa eo anivon’io andrim-panjakana io.

 

 

Navoakan’izy ireo ny antsipirihany tamin’ny famoham-bola efa natao araka ny fampahafantarana N°011-MEF/SG/DGFAG tamin’ny 08 oktobra, izay nosoniavin’ny Minisitry ny vola sy ny tetibola. Tahala izao ny tahan’ny fandavorariana ny famoaham-bola : 100% tamin’ny tambin-karama dia voaloa, 19,80% ny « Biens et services hors carburant et hors fonds spéciaux », Carburant et lubrifiant 57,84%, Fonds Spéciaux compte 0%, Transferts 16,56%, Projets d’investissement Publics (PIP) 0%,… Tsy ahafahan’io andrim-panjakana laharana faharoa io manao ny fandaniana sy fampiodinan-draharaha telo faha-efatra ny toe-draharaha. Tsy tahaka an’io ny any amin’ny Fiadidian’ny Repoblika, Primatiora, ny antenimieram-pirenena, ny minisitera, izay saika 100% avokoa amin’ny ankampobeny, raha ny fampitahana nataon’ny Antenimierandoholona. Ho an’ireo andrim-panjakana sy minisitera dia 100% ho an’ny “Biens et services”, “Transferts” 100%, Ressources Propres Internes (RPI) 100%,…

 ADY FARANY…

Fivoriana ara-potoana farany ho an’ny Antenimierandoholona amin’ny endriny ankehitriny io, ary heverina ho ady farany amin’ny fifandrinan’ny samy andrim-panjakana eo amin’ny loholona HVM sy ny Fahefana mpanatanteraka tarihin-dRajoelina. Tsy maintsy hampandalovina eny Anosikely ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana, izay mety hotsongolohan’ny antenimierandoholona satria ny voasoratra tao anatin’ny LFR 2020 teo aloha aza tsy tanterahina. Ahiana ny mety ho tsy fahalanian’ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana rehefa handeha ny fifampitana na “navettes parlementaires” eo amin’ny antenimiera roa tonta. Mety hisy ny fitsipahana ny tetibola 2021, ka hiafara any amin’ny fampandaniana azy amin’ny alalan’ny didy hitsivolana, tahaka efa nisy teo aloha, raha izao no mitohy. Karazana fahafaham-baraka ho an’ny mpanatanteraka anefa, raha mbola ho izay no ho endriny.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT