fankatoavan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fanapahan-kevitra noraisina tao anatin’ny filan-kevitry ny minisitra ny andron’ny 22 mey lasa teo hampihenana ny isan’ny loholona ho 18 isa raha 63 teo aloha.
Tsy mbola fantatra mazava kosa eto ny hoe: tonga dia horavana ve izany ny antenimierandoholona amin’ny endriny ankehitriny sa ahoana? 5 taona ny fe-potoam-piasan’ireo loholona ary ny 2021 vao ho tapitra. Ambara fa mandany volam-panjakana kanefa vesatra ho an’ny fanjakana foana ireo mpiasa 600 mahery. Raha tsy HVM ve no maro an’isa tao fa MAPAR dia nanao izao ny fitondrana? Fifehezana fahefana sy fitondrana mba hanamafy seza no heverina fa tena anton’io. Jereo tamin’ny tetezamita mba nentina nandaminana ny firenena fa natao be dia be mihitsy ny CT (Congrès de la Transition) sy ny CST (Conseil Supérieur de la Transition), hoy ny fampahatsiahivana nataon’ny Filohan’ny antenimierandoholona Rivo Rakotovao tamin’ny resaka nifanaovana taminy ny faran’ny herinandro teo. Ahiana mbola ho gidragidra ny fampiharana an’io.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.