Politique

Loholona mpanohana fitondrana Nijabaka tamin’ny fanambarana nataon’izy ireo


  • Alarobia 21 Oktobra 2020

Nilaza ireo loholona am-polony eo, mpiara-dia amin’ny fitondrana ankehitriny, fa efa voaloa mialoha tamin'ity indray mitoraka ity ny vola rehetra entina mivory,

 

 

 

ary tsy tokony hanana olana velively amin'izany ny loholona tsirairay. Filam-boatsiary fotsiny ny an'ireo loholona hafa tsy tonga nivory, raha ny nambaran’izy ireo. Ny Birao maharitry ny antenimierandoholona anefa nilaza, fa 19,80% ny taham-pamoaham-bola ho an’ny « Biens et services hors carburant et hors fonds spéciaux », Carburant et lubrifiant 57,84%, Fonds Spéciaux compte 0%, Transferts 16,56%, Projets d’investissement Publics (PIP) 0%,… Ny Minisitry ny vola nilaza omaly, fa notapahan'ny fitondram-panjakana fa omena an'ireo mahantra kere any Atsimo ny tetibolan'ny Loholona amin'ity telo volana farany ity. Izany dia noho ny fandaminana ny volam-panjakana ihany. Tsy laharam-pahamehana ny Antenimeran-doholona mihoatra an'ireo kere sy ny karaman'ny mpiasam-panjakana,... hoy ny fanazavana. Mifanipaka tanteraka ny voalazan’ireo loholona vitsivitsy. Toa nijabaka ireto loholona mpanohana ny fitondrana ireto, izay heverina ho nasaina niteny sy nanao mersenera politika, kinanjo nahariharin’ny Minisitry ny vola ny toa fahadisoan’ny fanambaran’izy ireo.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT