Politique

Loholona Mourad Abdirassoul « Tsisy hafenina ato, haverinay hatramin’ny fiara azonay»


  • Alakamisy 14 Janoary 2021

Nisy tarehin-javatra niseho, nisy loholona vaovao tokony haka ity toerana ity no

 

 

efa tonga sahady haka ny birao, kanefa mbola amin’ny 19 janoary vao hivory ny loholona vaovao hizara ny andraikitra. Tsy mbola misy loholona tokony ho tonga aty satria mbola manapitra ny fe-potoana iasanay hatramin’ny 21 janoary misasak’alina izahay, araka ny voalazan’ny Lehiben’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana, hoy ny Kestora voalohan’ny Antenimierandoholona Mourad Abdirassoul. Amin’ny 25 janoary ny fifamindram-pahefana eo amin’ny birao maharitra eo aloha sy ny vaovao. Efa vonona hanao izany izahay virao maharitra ankehitriny, vonona amin’ny mangarahara, hasehonay ny fitondrana tsara tantana ary ataonay afa-po izay handray ny toeranay amin’ny antontan-kevitra izay ilaina. Miangavy anareo loholona vao lany mbola tsy hanelingelina anay fa mbola tsy manana fahefana ato ianareo; ny mampalahelo dia ny Filoha lefitr’I Fianarantsoa no niantso anay hoe mbola tsy nomeko an-dry zareo ny biraoko, ary mbola tsy ao daholo ny entako, hoy izy. Hataonay araka ny tokony ho izy io, ary hataonay ho maodely. Fifamindram-pahefana tsy misy rahoraho, araka ny lalàna, vonona izahay ary hatramin’ny fiara azonay tato dia haverinay daholo, hoy io Kestora io.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT