Maha sadaikatra ary manahiran-tsaina, hoy ny loholon’i Madagasikara, Jafetra Randriamanantsoa,
ny maheno fanambarana toy ireny nataon’ny fitsarana avo momba ny lalampanorenana ireny. Lasa manao politika ve ny HCC? Niteny izy hoe mijery ny fandaminana ny firenena ary tena marina fa manao izany ianareo saingy ilay fihetsikareo amin’ny zavatra avoakanareo mihitsy no manahirana ny mijery azy satria ao anatin’ny lalampanorenana fotsiny dia efa ampy handaminana ny firenena. Saingy ankehitriny mampametra-panontaniana hoe ny politika ve izany no hipetrahan’ny fanapahan-kevitry ny HCC? Ilay fanapahan-kevitra politika no mibahana fa tsy ilay ianareo natao hanara-maso ny lalampanorenana. Efa niova ve izany ny andraikitry ny HCC? Averiko foana fa na ny filohan’ny repoblika, ny governemanta, loholona, depiote, tomponandraikitry ny rafitra misy eto amin’ny firenena dia ho tsarain’ny tantara isika. Mba ento lavidavitra ny fomba fisainana amin’ny famoahan-kevitra. Vao herintaona lasa izay no namoaka ny HCC fa tokony atao aloha ny fifidianana ireo mamaritra ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana. Isany ny any amin’ny faritany, faritra, mpanolontsain’ireo, sy izay atao hoe mpifidy vaventy rehetra vao miroso amin’ny manaraka. Raha hiteny anareo hoe nataon’ny teo aloha dia hoy izahay fa angaha tsara daholo ny nataon’ny teo aloha rehetra? Tokony namoaka lalana koa izany ianareo satria ny lalana fehizoro andininy faha 80 no mamaritra an’izay ary ny teo aloha dia nisy andininy nilaza koa fa amin’ny fifidianana voalohany amin’ny lalampanorenan’ny repoblika faha 4 ihany no entin’ny mpifidy vaventy. Efa fifidianana faharoa entin’ny mpifidy vaventy ity senatorialy ka noho izany tokony foananareo io.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.