Namoaka fanambarana mikasika ny loholona nametra-pialana tsy ho mpikambana eo anivon’ny antoko politika Hery vaovao ho an’i Madagasikara intsony farany teo ity antoko ity.
Raisina, hoy ny fanambarana, ny fametraham-pialana tsy ho isan’ny mpikamban’ny antoko intsony ary hesorina amin’ity loholona ity ihany koa ny andraikitra hisahanany ny faritr’i Melaky amin’ny anaran’ny antoko. Inoana, hoy ny HVM, fa manaja ny soatoavina sy ny atao hoe etika politika ity mpikambana teo aloha ity ary manana ny antsoina hoe fahatsapan-tena na “honnêteté intellectuelle” ihany koa. Hangatahana ihany koa izy noho izany mba hametra-pialana amin’ny maha loholona azy satria tsy afaka hitondra ny anaran’ny antoko izay nandany azy intsony.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.