Nihaona tamin’ireo Loholon’i Madagasikara ny mpikambana ao amin’ny Governemanta izay notarihin’ ny praiministra omaly tetsy amin’ny Lapan’Anosikely.
Nosantarina ny Praiminisitra ny fotoana ka namoaboasany ireo zava-bita rehetra mifanaraka amin’ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE). Nambarany fa efa hita taratra ny fahatokisan’ny vahoaka ny fahefam-panjakana amin’izao fotoana izao. Maro dia maro ireo ezaka izay efa notanterahin’ny fanjakana toy ny fametrahana ny fandriampahalemana eto Madagasikara, ny fanorenana fotodrafitrasa marobe eo amin’ny sehatry ny fahasalamana sy eo amin’ny sehatry ny fanabeazana, ny fanamboaran-dalàna ary ny fanatsarana ny rafi-pampianarana. Mikasika ny tetibolam-panjakana nasiam-panitsiana dia ny tena laharam-pahamehana hoy izy no nojerena. Nomarihiny fa ny politikam-pitantanan’ny fanjakana dia mifantoka amin’ny fitantanana ao anatin’ny mangarahara tanteraka. Niditra tamin’ny fametraham-panontaniana avy amin’ireo Loholon’i Madagasikara moa ny fotoana taorian’izany ka anisan’ny fanontaniana napetrak’izy ireo ny resaka fanamboaran-dalana amin’ireo faritra izay sahanin’izy ireo avy mba hamoahana ny vokatra, manoloana ny fisian’ny Covid 19 dia nangatahin’izy ireo ny hampitomboana ny fitiliana, mba ny vahoaka Malagasy rehetra no tiliana hahafahana mamehy ny fiparitahan’ity valanaretina ity, teo ihany koa ny fampitaovana ireo hopitaly manerana ny nosy, ny fanomezana vatsy tsinjo ny faritra voa izay mbola tsy nahazo izany.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.