Politique

Loholon` i Madagasikara Nofandrihana saingy efa fetsy ihany koa


  • Alakamisy 19 Martsa 2020

Nolanian’ny teo anivon’ny Antenimierandoholona ny alarobia 11 Martsa lasa teo ny « motion de rejet » izay natolotrin’ny vondrona Parlemantera HVM izay

 

 

 

mitsipaka ny fandinihana ilay volavolan-dalàna laharana faha-001/2020 tamin’ny 26 febroary 2020. Ny didy hitsivolana  lah. 2019-006 tamin’ny 28 may 2019 izay manova ny andininy sasantsasany ao amin’ny lalàna fehizoro laharana faha 2015-007 tamin’ny 03 martsa 2015 mahakasika ny fampandehanan-draharaha ny eto anivon’ny Antenimierandoholona sy ny fifidianana ary ny fanendrena ny ireo Loholona no tena mipetraka olana nandritra ny fivoriana tsy ara-potoana farany teo. Nasiam-panitsiana ny and. faha-7 izay manambara ny isan` ny loholona 63 lasa ho 18. Voalaza ao amin` ny and. faharoa fa “araka ny voalazan` ny didy hitsivolana dia afaka miroso amin` ny fifidianana loholona aorian` ny fifidianana kaominaly. Ireo loholona am-perinasa araka izany dia hisahana sisa ny fampandehanan-draharaha (à titre transitoire) mandrapahatonga ny vokatra ofisialy havoakan` ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana”. Izany hoe, raha nandany ny volavolan-dalàna PL001-2020 ny Antenimierandoholona dia afaka niroso tamin` ny fifidianana loholona ny Fanjakana. Ny lalàmpanorenana anefa dia milaza mazava tsara fa dimy taona ny fe-potoam-piasan` ny fitondrana ary tsy azo hahena na koa hampitomboina (mandat impératif). Tsy azon` ny fitondrana ihany koa no manena ny isan` ny mpikambana raha tsy misy fikitihana ny lalàmpanorenana. Ny tsy nampoizin` ny fitondrana sy ireo depiote indrindra ny IRD ny “motion de rejet” nataon` ny loholona. Araka izany, tsy afaka manao n`inona n`inona ny parlemantera fa dia miverina indray eny amin` ny governemanta io volavolan-dalàna io. Maro loatra ny fandikàna lalàmpanorenana ataon` ny fitondrana. Tsy tongatonga ho azy ny nanambarana ireo didy hitsivolana miisa 9 ho tsitelotelo. Nolazaina fa ny Antenimierandoholona no fositra amin` ny fampandrosoana kanefa ny Fanjakana no manao ady am-pitaka. Asa mbola firenena tan-dalàna ihany ve i Madagasikara fa toa samy manao izay tiany sy metimety aminy ny manana seza sy fahefana?

Marigny A.Haut du formulaire

Bas du formulaire

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT