Ireo loholona, amin` ny alalan` ny filohany Rivo Rakotovao, dia niantso fihaonana amin` ny Filoham-pirenena Andry Rajoelina.
Tanjona dia mba hanao jery todika sy hanao tombana ny fivoaran` ny zava-misy nanomboka ny fametrahana ny fahamehana ara-pahasalamana. Araka ny nambaran` ny filohan` ny Antenimierandoholona dia tokony alohan` ny hakàna izay mety ho fanapahan-kevitra ny amin` ny hitantanana ny firenena manomboka ny 05 aprily 2020 ny fihaonana. Ireo fepetra efa noraisina dia tokony hanaovana tombana ary hatsaraina ihany koa toy ny paikady amin` ny fizarana ireo vatsy tsinjo. Manoloana ireo dia te hitondra soso-kevitra ireo loholona. Manaiky tokoa ny filoha Rakotovao fa sarotra no mandrindra ny zava-misy amin` izao satria tsy nisy mpitondra na iray aza niomana amin` ny fiatrehana izany valanaretina izany. Manoloana ny fivoaran` ny toe-draharaha, ilaina ny fihainoan` ny hafa sy maka fepetra aorian` izany, hoy ireo loholona. Aminà toe-draharaha manokana toy izao, dia tokony ao anatin` ny fanajàna lalàna sy mangarahara tanteraka ny fitantanana ny volam-panjakana sy ireo loharanom-bola hafa ampiasaina no hitantanana ny firenena amin` izao vanim-potoana sarotra. Nanamafy I Rivo Rakotovao fa tsy maintsy manaraka ireo fepetra apetraky ny fanjakana ny rehetra, manaja ny fihibohana sy ny manodidina izany. Efa namaly moa ny filoham-pirenena ka hisy ny fihaonany amin’ireo lehiben’ny andrim-panjakana sy ny olom-boafidy anio.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.