Politique

Loholon`i Madagasikara 18 monja sisa amin` ny volana janoary 2021


  • Alarobia 02 Septambra 2020

Raha nivory ireo mpikambana anatin’ny vaomiera ikambanana (CMP) ny 28 aogositra lasa teo, teny amin’ny Lapan’ny Tsimbazaza sy ny 31 aogositra teny amin’ny Lapan’ny Antenimierandoholona, dia nisy hatrany ny tsy fisian’ny fitovian-kevitra teo amin’ny Solombavambahoaka sy ny Loholona.

 

 

 Noho izany, niroso tamin` ny fandinihina fanintelony sy farany izay natao teny anivon` ny Antenimieram-pirenena omaly, araka ny voafaritra eo anivon` ny lalampanorenana ka nolanian` ireo solombavambahoaka 109 tsy nasiam-panovana ilay volavolan-dalana lah. 001/2020. Ny filohan` ny Antenimieram-pirenena rahateo dia efa nanambara hatrany nandritra ny lanonam-panokafana ny fivoriana tsy ara-potoana ny 26 aogositra teo fa “holaninay ny lalàna na hitsipaka aza ny loholona”. Ny minisitry ny serasera sy ny kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy ihany koa ny sabotsy lasa teo dia efa nanambara hatrany fa “ mandany vola be loatra ny Antenimierandoholona ka tokony ravana”. Marihana fa tafiditra ao anatin` io PL 001/2020 io ny momba ny sata mifehy ny loholona. Araka izany, dia hisy hangorona entana tsikelikely ireo loholona sasany satria raha 63 ny isan` izy ireo teo aloha dia 18 monja amin` ny volana janoary 2021, izay fe-potoana hiasan` izy ireo. Tsiahivina hatrany fa olon` ny antoko HVM ny 95% amin` ny mpikambana ankehitriny ka asa raha niroso amin` izao fanapahan-kevitra ihany ny Filoham-pirenena raha ny antokony no maro an` isa tao anivon` ity andrimpanjakana ity.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT