Na dia tafiditra ao anatin` ny fihibohana izao dia ny “service minimum”no mandray ny andraikiny eo anivon` ny CENI. Asa roa no sahaniny nandritra izay vanim-potoana manokana izay.
Voalohany, taorian`ny 28 febroary lasa teo dia nalefa teny anivon` ireo fokontany ny lisitry ny mpifidy izay nofaranana vonjimaika. Nahafahan` ireo olom-pirenena nanao fitarainana sy fanamarinana ny anarana izany. Tao koa ny fanarahana maso an` ireo anarana miverina in-droa. Ny 30 martsa teo no nifarana izay asa izay. Ny asa faharoa dia ny fanitsiana an` ireo antontan-kevitra voaray isaky ny fokontany : CIN mitovy, anaran` ny mpifidy, anaran` ireo ray aman-dreny, adiresy…. Natao izany rehetra izany sao misy fahadisoana, hoy Hervé Andriamanantsoa, filoha lefitry ny CENI. Misy andraikitra tsy maintsy sahanin` ny CENI voalazan` ny didy aman-dalàna toy ny fanavaozana ny listry ny mpifidy. Misy ny fandaminana mba hahafahana manatontosa ny lisitry ny mpifidy. Nisy asa maro nampiandraiketina ireo rantsa-mangaikan` ny CENI amin`ny fanavaozan`ny listry ny mpifidy izay tsy maintsy faranana ny 15 mey izao, hoy hatrany ny fanazavana. Tsy azo odian-tsy hita ny fahabangan-toerana filoha lefitra izay efa nambaran` ny HCC ihany koa. Efa nisy ny taratasy nalefa tant amin`ny Filohan` ny Antenimieram-pirenena mba hifidinanan` izy ireo hameno io toerana banga io. Andraikitry ny Antenimieram-pirenena no mijery ny fomba hametrahana izany, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.