Politique

Lisi-pifidianana Nitombo 524 669 ireo mpifidy


  • Sabotsy 16 Mey 2020

Miisa 10 381 133 ireo mpifidy voarakitra taorian` ny fanakatonana ny lisi-pifidianana araka ny fampitaham-baovao avy amin`ny CENI.

 

 Noho izany, nitombo 524 669 ny mpifidy. 443 119 kosa no nesorina tao anatin` izany. Tsiahivina fa 10 299 583 isa ireo mpifidy tamin` ny lisitra taona 2018-2019. Nisy asa vita nandritra ny fanavaozana lisi-pifidianana (RALE) taona 2019-2020 dia ny fampidirana anaran` ireo vao feno 18 taona, ireo tsy voasoratra teo aloha ary ireo nifindra monina. Toy izany koa ny fanesorana ireo efa maty sy ireo very zo tsy afaka mifidy intsony. Niroso tamin` ny fanitsiana ireo fahadisoana nomarihan` ireo mpifidy mikasika ny mombamomba azy. Mahakasika ny “doublons” tao anaty lisi-pifidianana izay niteraka resabe ny volana martsa teo, dia nanipika ny CENI fa efa hatramin` ny fanavaozana lisi-pifidianana tamin` ny taona 2012 no nisy ny tranga anarana samihafa fa laharana CIN mitovy, ary tsy zava-baovao izany.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT