Tsy azo hihodivirana ny hidiran`i Madagasikara amin`ny fampiasana ny lisitra biometrika sy ny tena mangarahara amin`ny fifidianana, hoy ny CENI.
Nolazainy fa niezaka nanamarim-pototra ny lisi-pifidianana izy ireo. Maro ny afaka nanamarina ny anarany ireo mpifidy. Niteraka olana anefa io teto Madagasikara. Noho izany, mila fanaraha-maso makadiry isika izay vao hirindra sy hilamina raha ny fomba hanaovana azy amin`izao. Ny biometrika no vahaolana mba hahafahana manatsara azy. Nisokatra tanteraka ny CENI nanome bahana hahafahana manara-maso izany tamin`ny voahoaka Malagasy fa tsy noforonina akory. Mandray tolo-kevitra entina hanitsiana sy hanatsarana ny fizotry ny fifidianana ny CENI. Mbola maro anefa ireo lesoka mila vahana haingana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.