Politique

Lietna-kolonely Charles Nahiboka ao Tsiafahy


  • Zoma 21 Janoary 2011

Nesorina tao amin’ny kartie 4 nisy azy hatramin’izay, niaraka tamin-dry jeneraly Noël Rakotonandrasana ary nafindra any amin’ny kartie 3 indray ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles.

Fanindroany io tato anatin’ny folo andro teo izao. Ny tale jeneralin’ny fandraharahana ny fonja mihitsy no nigadona teny Tsiafahy amin’ny andro efa maizin-kitroka, any amin’ny fito ora sy sasany hariva, ny alarobia 19 janoary teo, nanatanteraka izany. Inona loatra no antony, no misy hamehana toy izany ? Tsy isalasalana fa setrin’ny fametrahana fitoriana nataon’i Marc Ravalomanana, io andro io, teny amin’ny zokiolona amin’ny mpitsara mpanao famotorana mikasika ny raharaha 2009, nanaovan’ity manamboninahitra ity ampamoaka, no nahatonga io famindran-toerana io, fa hoe “mamoaka tsiambaratelom-panjakana” raha araka ny feo mandeha. Baiko midina mihitsy no nahatonga io fahamaizana io.

Na dia miezaka mafy manitrika ny lietnà-kolonely Charles amin’ny toerana tsy ahafahany mifanerasera amin’ireo namany eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy aza anefa ny FAT dia efa niparitaka hatrany amin’ny tranonkala rehetra any, ary hitan’ny besinimaro, ny taratasy nosoratany. Nisy tamin’ireny aza no nosoratany ho an’ny sehatra iraisam-pirenena andro vitsy lasa izay, araka ny fantatra, izay mangataka ny hisokafan’ny famotoran’ny fitsarana iraisam-pirenena mikasika iny tranga tamin’ny 2009 iny. Taorian’ilay fanambarana miezinezina nataon’ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles teny amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy ny alarobia 05 janoary, mantsy dia liana avokoa ireo masoivoho vahiny mikasika ny zava-nisy marina. Any am-pigadrana ary dia maniry mafy ny hisokafan’ny fanadihadiana iraisam-pirenena mikasika ny fanonganam-panjakana ny tenany. Ho hita eo moa raha sahy hiatrika izany ny FAT, indrindra ireo izay namaly iny filazan’ny lietna-kolonely Charles iny nilaza fa tsy nisy izany fanonganam-panjakana izany fa fametraham-pialan’ny Filoha Ravalomanana no nisy teto.
 
Rakoto Maxime
 
Sary: Ny lietnà-kolonely Andrianasoavina Charles teny amin’ny lapan’ny Fitsarana Anosy ny alarobia 05 janoary

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Fanenjehana
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

an-dRajoelina, Ntsay Christian,…

  • Nampahatsiahy ny
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

antoko politika Teza

  • Julien Andriamorasata
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

«Iankinan’ny fiainam-pirenena

  • Madagasikara-Frantsa
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Mihenjan-droa ny tady, miverina sarin’ny 2008…

  • ANTOKO PDS
  • Alakamisy 30 Aprily 2026

Handroso làlam-panorenana

  • Raharaha fanakorontanana,
  • Alarobia 29 Aprily 2026

diplaomasia mafampana…

Hijery ny tohiny
FTT