Politique

Lietna-Kolonely Charles Manomboka ny antsojay


  • Alarobia 12 Janoary 2011

Taorian’ilay ampamoaka nataon’ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina mikasika ny raharaha 2009 sy ny fanonganam-panjakana niseho teto, dia fantatra izao fa manomboka sahady ny antsojay atao aminy.

Ny loharanom-baovao akaiky ny fianakaviany mantsy no mitatitra fa nafindra kartie somary mafimafy kokoa ao amin’ny fonjaben’i Tsiafahy ny tenany hatramin’ny alahady 09 janoary teo. Kartie faha-3 raha Kartie faha-4, niaraka tamin’ny jeneraly Noel Rakotonandrasana, no nisy azy hatramin’ny 20 novambra nandefasana azy ireo tany rehefa natao sambo-belona teny amin’ny BANI. Tsy fantatra mazava kosa izay tena anton’izao famindran-toerana izao saingy nilaza ireo fianakaviany fa noho ny filazana ny marina nataon’ity kolonely ity ny alarobia 05 janoary 2011 tao amin’ny Lapan’ny Fitsarana no nahatonga izany.

Tsy mahagaga ihany ity trangan-javatra ity fa raha ny feo aely amin’ny onjampeon’ny mpitondra amin’izao fotoana izao tahaka ny tamin’ny alatsinainy teo dia nilaza fa tsy ho vita mora iny filazana nataon’ity manamboninahitra ity iny. Ny tsy nambaran’ireto mpilaza ireto dia tany amin’ny andiany indray mihira tamin’ny lietna-kolonely Charles izy ireo no niafina, mbola noho ny raharaha 2009 anaovan’ny lietna-kolonely Charles vaky bantsilana io hatrany. Mbola havoaka daholo ireny tantara ireny araka ny nolazain’ity farany tamin’ireo fianakaviany ka nampitain’izy ireo tamin’ny mpanao gazety toy izany koa ny tatitra miparitaka amin’ny tranokala. 

Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Ny lietna-kolonely Charles Andrianasoavina tamin’ny fotoana nanaovany ampamoaka tao Anosy ny 5 janoary 2011

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanàna
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanàna Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT