Politique

Lietnŕ-Kolonely Charles Hanao ampamoaka mikasika ny raharaha 2009


  • Alatsinainy 27 Desambra 2010

Hafanafana indray ny tontolo politika ato ho ato. Araka ny loharanom-baovao mantsy dia fantatra fa hanao ampamoaka mikasika ny raharaha 2009 ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles, ka hovakiany bantsilana amin’izany avokoa ny antsipiriany tamin’iny raharaha fanonganam-panjakana tamin’ny 2009 iny.

Ho an’ity manamboninahitra, avy amin’ny andiany faha-19 nivoaka tao amin’ny Akademia Miaramila Antsirabe, ity rahateo moa dia “fanonganam-panjakana” no nilazany iny natao tamin’ny 2009 iny. Mbola ny loharanom-baovao ihany no nahalalana fa nisy ny fifanarahana teo aminy sy i Andry Rajoelina tamin’izany saingy tsy nanatanteraka ny fifanarahana ity farany rehefa tonga teo amin’ny fitondrana. Efa natsidiky ny lietna-kolonely Andrianasoavina Charles ihany io resaka io tamin’ny faramparan’ny volana aogositra 2010 ka nanaovany vaky bantsilana fa nivaona ilay fanovana ary misy misandoka fahefana, fanambarana izay nifanindran-dalana indrindra tamin’ny fahatongavan’ny iraky ny SADC teto, ka nihaonan’ity farany tamin’ireo ankolafin-kery politika teto an-toerana tao anatin’ireny dinika teny Vontovorona ireny.

Raha tsiahivina dia anisan’ireo nitarika mba tsy ilazana fa lohandohany mihitsy tamin’ny hetsika fikomian’ny miaramila tetsy amin’ny toby miaramila Capsat ny 8 martsa 2009 ity lietna-kolonely ity. Kaomandà no galona nentiny tamin’izay. Nisy antony avokoa ireny araka ny voalazany ary efa nijoroany vavolombelona tao amin’ny radio tsy miankina iray teto an-drenivohitra, herintaona taty aoriana. Taorian’iny tranga teny amin’ny BANI ny volana novambra iny dia maro ny resaka tetsy sy teroa niniana naparitaka. Nisy tamin’izy ireny no nolazaina fa fihetsiketsehana natao mba hisamborana ny jeneraly Raoelina sy ny kolonely Randriamihoatra, kolonely Jadifara sy ireo namany izay nokarohina hatry ny ela noho ny “raharaha 7 febroary 2009” iny. Teo anatrehan’ireny moa ny lietna-kolonely Charles dia nilaza fa diso tanteraka izany. Toa manamafy io koa ny vaovao re fa dia nifamela ary nifampihavana ireo miaramila mifonja ao Tsiafahy. Ny ampitso no hahafantarana ny tohin’izany rehetra izany.

 
Nangonin’i Jean D.
 
Sary : Ny lietnà-Kolonely Charles Andrianasoavina taorian’ny fanambarana teny amin’ny BANI Ivato ny 17 novambra 2010

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT