Manao fitsidiham-paritra tao Toamasina ny filoha nasionalin’ny antoko Harena, Atoa Rabarison Lezava Fleury, ny faran’ny herinandro teo nilazany ny hevitry ny antoko momba ny raharaha politika ankehitriny.
Nambarany fa ampy hikarakarana ny fifidianana tsara ny valo volana, araka ny tapaky ny mpanao politika sy ny Firenena Mikambana. Manahy anefa izahay, hoy i Lezava Fleury fa “raha izao zava-misy izao, indrindra ny tsy filaminana sy ny tsy fisian’ny vola ary ny fomba entina hanomanana ny fifidianana misy ankehitriny, dia tsy ho tontosa ara-demokratika ary tsy hoeken’ny rehetra ny fifidianana hitranga eo”.
Nomarihany fa mila fitoniana, mila vola, mila fahamatorana ary mila filaminana ny fanomanana izany fifidianana izany. Ireo anefa no tsy hita amin’izao fotoana hanomanana ny fifidianana izao. Maneho ny ahiahiny koa ity antoko ity manoloana ny tsy mbola fisian’ny didy fampiharana ireo lalàna hifehezana ny fifidianana, nefa efa enim-bolana sisa. Lesoka goavan’ny fitondrana tetezamita rahateo ity fandraisana lalàna nefa tsy arahana didy fampiharana ity, hoy i Lezava Fleury. Nilaza ity farany fa “tsy voafehin’ny SADC ny krizy malagasy, ka aleo ireo heverina ho raiamandreny no hiditra an-tsehatra”.
Rakoutou
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.